Tsara ny vokatra azo tamin’ny andrana tsy nikirakirana lelavola nandoavana ny saran-dalana tamin’ny taxi-be 147 D. Nisy ny tetikasa nampiasana ny teknolojia niomerika ka nametrahana fitaovana manokana hanamarinana ny tapakila saran-dalana tamin’ireo fiara fitaterana.
Nahomby ny tetikasa nataon’ny Airtel Money sy ny orinasa CPP System, tsy ampiasana lelavola andoavana ny saran-dalana amin’ny taxi-be. Nanombohana izany, natao andrana ny zotra 147 D. Nampiasana ny teknolojia niomerika, ka nametrahana fitaovana manokana hanamarinana ny tapakila saran-dalana any anaty fiara fitaterana. Vidiana amin’ny fifanakalozam-bola Airtel Money ny saran-dalana, ahazoana ny karatra tapakila.
Nomarihin’ny tale jeneralin’ ny Airtel Money, Randrianarison Heritiana, fa « tohananay ny fifindrana tsikelikely any amin’ny toekarena niomerika, mampiroborobo ny fivoaran’ny teknolojia. Mampandroso ny fikirakirana ara-bola sady manamora ny filana andavanandron’ny mpampiasa sy ny matihanina amin’ny fitateram-bahoaka ».
Manoloana izany fahombiazana izany, nankasitrahana ny mpamily sy ny mpanampy azy, ny 7 febroary teo. Miisa 6 izy ireo, nomena kojakoja avy amin’ny Airtel Money, miampy famandrihana internety MIFI, miampy famandrihana fifanakalozam-bola Airtel Money.
Tsahivina fa tanteraka ity fiaraha-miasan’ny roa tonta ity, mba hoentina hanatsarana ny sehatry ny fitaterana eto amintsika, hampiharana sy hampiroboroboana ny teknolojia niomerika sy ny fampiasana ny fifanakalozam-bola niomerika.
Andrasana ny fampiharana azy amin’ny zotra taxi-be rehetra sy ny fitaterana any amin’ny zotram-paritra sy nasionaly manontolo.
Njaka A.