Taranja Echecs: Mila fanomanana ara-batana toy ny taranja rehetra

Taranjam-panatanjahantena anisan’ny tranainy kanefa mbola vitsy ny mahalala fa fanatanjahantena ny taranja Echecs. Vitsy ihany koa ny mahalala fa misy fampiasam-batana toy ny taranja rehetra izy ity, na dia tsy hita ety ivelany aza izany. Marina fa ny saina no tena miasa ao anatin’­ny taranja Echecs amin’ny maha lalaon-tsaina azy, kanefa ny vatana sy ny saina no miara-miasa raha te hahazo vokatra tsara.

Araka ny fikarohana natao, tany Asie no nisy ny lalaon-tsaina Echecs voalohany tany amin’ny taonjato faha-3 tany. Ho an’i Madagasikara manokana, tany amin’ny taona 1970 tany no nisy ny taranja Echecs voalohany ary tamin’io no tafatsangana ny Federasiona malagasin’ny lalaon-tsaina Echecs voalohany. Ny taona 1994 kosa no nisy ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara voalohany, ho an’ny sokajy lehilahy ihany tamin’izany. Taty amin’ny taona 2009 vao nisy ny fifaninanana ho an’ny vehivavy. Randrianasolo Jean Paul no voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, voalohany, nitohy tamin-dry Jean Loup Foucault sy ry Randriantseheno Lalanirina, Rabenandrasana Liva, teo anelanelan’ny taona 1995 hatramin’ny 1998. Ry Ranaivoharisoa Alain, Rajaonarison Faniry, Andria­ma­soandro Miora, Andrianiaina Heritiana ary Rakotomaharo Fy Antenaina kosa no nisongadina teo anelanelan’ny taona 2000 hatramin’ny taona 2019. Ankehitriny, mpilalao Echecs mbola tsy lefy laza sy misongadina hatrany, i Fy sy i Heritiana ary i Miora, mbola eo ihany koa Razanadrakotoarisoa Toavina. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, nisy izany Randrianasolo Irma, Ramaniraka Johanne, Ravelomanana Sabine, Razafindrabiaza Christine, niampy an-dry Raharimanana Faratiana ary Razafimahefa Lalaina izay nifandimby voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, nanomboka ny taona 2009 hatramin’ny taona 2023. Taty aoriana, nisy an-dry Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra izay efa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, vao 12 taona monja.

Misy « élo » enjehina ao anatin’ny Echecs

Tsara ho fantatra fa misy tanjona toy ny taranja rehetra ny fanaovana ny lalaon-tsaina Echecs, anisan’ny zava-dehibe amin’izany ny fanenjehana « élo », na isa azo rehefa mahazo fandresena amin’ny fifaninanana hatao. Io « élo » io no mamaritra ny toeran’ny mpilalao iray maneran-tany ary hahafahana mametraka azy ho « Maitre International » na « Grand Maitre International », araka ny fanazavana nentin-dRakotomaharo Fy. Ny federasiona iraisam-pirenena no manome ireo anaram-boninahitra ireo. I Fy izay misalotra ny anaram-boninahitra ho « Maitre International » nanomboka ny taona 2017 ary efa hahazo ny anaram-boninahitra « Grand Maitre International » tsy ho ela. Manodidina ny isa 2500 hatramin’ny 2600 eo ny « élo » raha te ho lasa GMI ary efa eo amin’ny 2450 eo amin’izao ny isan’i Fy, raha ny nambarany. Handray anjara amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena maromaro izy amin’ity taona ity, raha ny fandaharam-potoanany ary manantena fa hahazo ny isa ilaina hahatonga azy ho GMI.

Manomboka misokatra ho an’ny sokajy vehivavy

Araka ny efa voalaza, nanomboka ny taona 2009 no tena tafiditra an-tsehatra ny Malagasy vehivavy, teo amin’ny taranja Echecs. Tamin’izany no nisy voalohany ny fifaninanam-pirenena ho an’ny vehivavy ary nanomboka nahazo laka izany. Anisan’ny manome lanja ny lalaon-tsaina Echecs ho an’ny vehivavy, ny Federasiona malagasin’ny taranja Echecs ary misy mihitsy ny fifaninanana karakaraina isan-taona natokana ho an’ny vehivavy.

Nanatontosa : Miarintsoa.Raz

Ireo fandaharam-potoana 2025

Febroary : Fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy zandriny (Kenya).
15 febroary : Fanokafana ny taom-pikatrohana amin’ny alalan’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara « equipe mixte ».
Marsa-Jona-Septambra-desambra : « Tournoi Inter-Entreprise ».
Avrily : Fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Seniors (Maurice).

Partager sur: