Tsara ny fisian’ny fifaninanana eo amin’ny sehatry ny zavakanto. Mila izany avokoa ny « taranja rehetra », mba hanana vitrika ny mpamorona. Tsara ihany koa ny mamerina ny sanganasan’ireo mpanakanto efa tsy eo intsony. Saingy, na iry voalohany, na ito faharoa, mila fahamalinana mba tena hitondra fivelarana ho an’ilay zavakanto sy ny mpanao azy ary ny iantefany.
21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Hatramin’izao, tsy mbola nahitana fiovana misongadina ny fanamarihan’i Madagasikara io vanim-potoana io. Fampirantiana, velakevitra, sns, manaitra eo no ho eo, fa tsy hita ny tohiny. Anisan’ny olana goavana momba ny tenindreny ny mbola tsy fametrahana mazava fa ny tenindreny no teny ibeazana eto Madagasikara.
Lesoka iainan’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny tsy mba fananany tahiry ampy hoenti-manainga zava-baovao sy manohy ny tsara teo aloha. Samy milaza ny ataony ho « tena izy ». Mba tsy hitsingerenan’ny tranga tahaka io. Mila manoratra na mandrakitra amina fitaovana azo antoka ny mpamorona ankehitriny. Ilay « Afindrafindrao », hoentina mifanao veloma nanjary fanokafan-danonana !
Mbola manana ny anjara toerana lehibe ny zoky raiamandreny ? Na tsy hita mivantana aza izany, raha mbola misy tranga manahirana eo amin’ny fianakaviana sy eo anivon’ny fiaraha-monina, mbola izy ireo ihany no idodododoana. Na eo aza ny rafitra samihafa, mbola omen’ny Malagasy hasina ny ela nietezana. Saingy, hatraiza ny fahefan’izy ireo amin’izao vanim-potoana izao ? Mbola to-teny ve ?