TSELATRA

Lehilahy iray, mpangalatra moto, voasambotry ny polisy avy ao amin’ny Kaomisaria 67ha, ny 8 febroary lasa teo tamin’ny 1 ora maraina. Tratra nanosika io kodiaran-droa io izy nefa tsy nahitana taratasy manamarina izany. Nihaiky ny tenany fa vao avy nangalariny io kodiaran-droa io. Hatolotra ny fitsarana izy aorian’ny fanadihadiana.
Taksiborosy iray handeha hianatsimo nivadika tetsy Iavoloha, ny sabotsy lasa teo. Naratra vokatr’izany ny mpandeha maromaro tao anatiny. Efa nentina sy efa nisitraka fitsaboana teny anivon’ny toeram-pitsaboana ireo naratra rehetra. Ny fandehanana mafy ny antony nahatonga ny lozam-pifamoivoizana, raha ny vaovao voaray.
Fahatsiarovana ny Andro nahafatesan’ny Jeneraly Richard Ratsimandrava. Natao tetsy anivon’ny Toby Ratsimandrava Andrefan’Ambohijanahary omaly ny fanombohana ny fanamarihana ny faha-50 taona nahafatesany. Nitarika ny lanonana tamin’izany, ny minisitra Delege misahana ny Zandarimariam-pirenana. Hitohy hatrany ny hetsika.
Nampidirina am-ponja vonjimaika any am-ponja ilay lehilahy nidaroka ny zana-badiny vao 2 taona monja, ny herinandro lasa teo. Rehefa avy niatrika ny fampanoavana teo anivon’ny fitsarana, nosamborin’ny polisy avy ao amin’ny sampandraharaham-paritra misahana ny fanenjehana fandikan-dalàna ao Boeny izy. Monina any Ampasika Mahajanga ity farany.

Partager sur: