Andrianainarivelo Hajo: “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka”

Andrianainarivelo Hajo
“Aoka hajaina ny safidim-bahoaka”

Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena, ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga (MMM), Andrianainarivelo Hajo. Anisan’izany ny momba ny fitantanana ny kaominina Antsiranana I. “Aoka hajaina ny safidim-bahoaka. Tsy azo ekena velively ny hala-bato sy ny bodongerona atao amin’ny vahoakan’Antsiranana”, hoy izy. Nambarany fa efa naneho ny safidiny ka nandany ny kandidà Djavojozara Jean Luc, avy amin’ny tsy miankina ny vahoaka any an-toerana. Nohitsiny fa voaporofo izao ny bontolo sy ny tsy fanajana ny demokrasia eto amin’ny firenena. Manoloana izany, nankahery ny ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka ny eo anivon’ny MMM.
Tsiahivina fa notendren’ny fanjakana ho Filohan’ny delegasionina manokana (PDS) ao amin’ny kaominina An­tsiranana I, ny herinandro teo, i Tiana Edmond. Efa nirosoana ny famindram-pitantanana? Voalaza ho anton’izany fanapahan-kevitra izany ny fanjavonan’ny ben’ny Tanàna vao voafidy fanindroany, i Djavojozara Jean Luc Desiré. Tsy fantatra rahateo ny tohin’ny raharaham-pitsarana ity ben’ny Tanàna ity noho izy voasaringotra amin’ny kolikoly tamin’ny nitantanany ny kaominina Antsiranana, nandritra ny fe-potoam-piasana teo aloha.
Vao avy nandresy tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna ny 11 desambra teo iny anefa ny tenany ka nahazo ny 65%, araka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan’ny Ceni. Mbola nohamafisin’ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana izany fandreseny izany.

Synèse R.

Partager sur: