Tafiditra ao anatin’ny tetikasa PNBC Madagasikara ny fanofanana ny vehivavy 30 hatramin’ny 50 taona any Tsiafajavona sy Ambatolampy. Voakasik’izany ny fikirakirana, fanamboarana ary fametahana ny fitaovana manome jiro avy amin’ny masoandro. Ampianarina koa izy ireo hahaleo tena ara-bola sy ara-pivelomana. Natao ny 7 febroary teo, teto Antananarivo, ny fihaonana tamin’ny mpiara-miombona antoka amin’ny tetikasa. Nitondra fanazavana ny Vaomiera mpitantana (Copil). Tanjona ny fanentanana ny mpiara-miombona antoka vonona hanohana ny PNBC. Andiany faha-8 sy faha-9 no hanaraka fiofanana amin’ity taona ity.
Anisan’ny nanatrika ny fotoana ny orinasa QMM, ny rafitra iraisam-pirenena Pnud, ny Unicef, ny GIZ, ny fikambanana iraisam- pirenena WCS, ny BCM, ny CRS, sns. Nisolo tena ny minisitry ny Angovo ny sekretera jeneraly sy ny tale jeneraly ao amin’ity departemanta ity.
Njaka A.