Tsy asan’ny maizina na mosavy ny aretina androbe fa azo sitranina tsara. Afaka manatona mpitsabo
ny marary raha vao misy fambara. Efa nahazo fiofanana ny eny amin’ny CSB. Misy ny fanafody.
“Noho ny fiheveran’ny fiarahamonina fa asan’ny ratsy na avy amin’ny mosavy ny aretina androbe, miafina ireo fianakavina manana havana marary. Vokatr’izay, tsy sahy manatona mpitsabo izy ireo. Hany ka tara ny fandraisana an-tanana azy ireny. Azo tsaboina tsara ny androbe”, hoy ny dokotera Rakotoarivony Manitra, omaly, teny Ambohidahy. Tokony handray fepetra hanatona mpitsabo ny fianakaviana raha vao miseho ny fanintona miverina matetika eo amin’ny olona iray. Toraka izany ny zaza variana tsy tompon’ny tenany anatin’ny fotoana fohy any an-dakilasy.
“Aretin’ny atidoha miseho amin’ny fiverimberenan’ny fanintona ny androbe. Fanintona no ilazana ilay fisehoana indray mandeha fa rehefa miverimberina dia lasa aretina mitaiza ary antsoina hoe androbe. Misy herinaratra (courant électrique) mikorontana ao anatin’ny atidoha mitarika ny fanintona hita ety ivelany. Misy antony mampikorontana ilay herinaratra”, hoy ny fanazavan’ny dokotera neurologue interniste, Razafimahefa Julien. Ny zaza madinika sy ny zokiolona no matetika itrangan’ny androbe. Mahatonga izany, noho izy ireo manana atidoha marefo kokoa.
Antony maro no mampikorontana ilay herinaratra. Voalohany ny fahasimban’ny atidoha vokatry ny dona mafy nihatra taminy. Faharoa, avy amin’ny tsimokaretina (microbe) miseho amin’ny nana ao anaty atidoha na koa mikraoba amin’ny fonon’ny atidoha (meningite). Eo koa ny atodi-kankana lasa any amin’ny atidoha, antsoina hoe voavarin’ny atidoha (neuro-cysticercose).
Mizara roa mazava ny fitsaboana ny androbe. Ny fitsaboana ny fanintona tsy hiverimberina, andaniny. Ny fitsaboana ny anton’ilay androbe, raha fantatra, ankilany. Tokony hatao avokoa ireo fitsaboana roa ireo.
Vonjy