Olona efatra, lehilahy roa sy vehivavy roa, niara-maty nilatsaham-potaka omaly tamin’ ny 5 ora hariva, tany amin’ny fokontany Ambalabe, kaominina Andranomiditra, faritra Matsiatra Ambony. Tonga tao an-trano vao avy nanetsa, tany Androingivy, ny olona enina niaraka tamin’ny zaza roa hafa no nipoaka ny varatra, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Mpivady ny roa tamin’izy ireo ary olona roa nokaramain’izy ireo hanetsa ny tanimbariny kosa ireo roa hafa. Avy be ny orana tamin’ny fotoana io, tampoka, nilatsaka ny varatra ka nanapitra ny ain’ireo efatra lehibe ireo. Naratra mafy ary tsy nahatsiaro tena vokatr’izany, kosa ireo zaza roa niaraka tamin’izy ireo. Nentina avy hatrany teny anivon’ny hopitaly Mahasoabe izy ireo tamin’ny 5 ora sy sasany hariva, taorian’ny nahavoa azy ireo. Tsy tana intsony ny ain’ireo olona efatra rehefa tonga teny anivon’ny tobim-pahasalamana. Raha toa ka avotra soamantsara, taorian’ny fameloman’aina nataon’ny mpitsabo, ireo zaza. Efa eny anivon’ny fianakaviana avokoa ireo razana rehetra ireo amin’izao fotoana izao.
Ankoatra izay, trano iray nilatsaham-baratra omaly tamin’ny 4 ora sy sasany maraina, tany amin’ny fokotany Antady, kaominina Ivoamba, distrika Fianarantsoa II. Tsy nisy ny aina nafoy fa simba vokatr’izany ireo entana tao an-trano. Marihina fa efa nisy olona telo niara-maty nilatsaham-potaka koa tany an-toerana, ny herinandro lasa teo.
Mino