Nifarana ny alahady lasa teo, tany Maroc, ny lalao fitsapana sady fanazaran-tena nataon’ny Barea de Madagascar, sokajy U17. Tsara ny vokatra satria tao anatin’ireo lalao 5 nataony, nahazo fandresena 3 sy ady sahala iray ary faharesena iray ny ekipam-pirenena zandriny. Nambaran’ireo mpilalao sy mpanazatra fa nahazoana traikefa ary nahafahana nijery ny lentan’ireo zandrikely ny fihaonana natao tany an-toerana.
Ankoatra izay, zava-dehibe ny nisian’ny fifanakalozana traikefa sy teknika teo amin’ireo mpilalao sy ny Malagasy teknisianina tamin-dry zareo maraokanina. Ny ekipan’ny Raja Club Athletic no nanasa ny Barea de Madagascar tamin’ity ary naharitra 1 volana ny fivahinianana tany an-toerana. Heverina fa hitondra aingavao ho an’ny taninketsan’ny baolina kitra eto an-toerana ny lalao natao tany Maroc.
Mba tsy hijanona hatreo ny fikarakarana ireo zandrikely ao amin’ny Barea U17 ireo fa hisy tohiny ka tokony ho efa mitsinjo ny fifaninanana hafa, toa ny Cosafa sy ny Lalaon’ny vaomieran’ny ranomasimbe Indianina, CJSOI, hatao atsy Seychelles, ny volana jolay ho avy izao.
Tompondaka