Base Toliara: Manomboka ny fandraisana mpiasa sy fampiofanana

Omena tombondahiny ny olona avy ao an-toerana amin’ny fandraisana ho mpiasan’ny tetikasa Base Toliara. Ampirisihina ny tanora hanaraka fiofanana.

Ela niandrasana! Anisan’ ny tena nandrandrain’ny mponina any an-toerana, hatry ny ela, ny hampidirana azy ireo ho anisan’ny mpiasa ao amin’ny orinasa Base Toliara. Koa, zava-dehibe tokoa ny fanazavana natao ny 8 febroary teo, tamin’ny mpanao gazety, mba hamantaran’ny mpisehatra rehetra ny zava-misy. Fantatra fa efa nanomboka ny fandraisana mpiasa. Mandeha tsikelikely ny fiantsoana ny orinasa liana ho an’ny dingan’ny fanorenana ny fotodrafitrasa.
Miisa 2 000 ny mpiasa horaisin’ny Base Toliara amin’ity dingana voalohany ity, miompana amin’ny sehatra maro samihafa. Toy ny fampianarana mamaky teny sy manoratra, ny fananganan-trano sy ny fanorenana (rafi-trano, fikojakojana, fampidirana herinaratra, mekanika, rafi-by, mahakasika ny harena ambanin’ny tany, …). Omena tombondahiny ny mponina any ifotony, indrindra ny avy ao amin’ny kaominina Toliara I, Belalanda, Tsianisiha, Maro­miandra ary Ankilimalinike.

Tena ilaina ny fiofanana
Hanomboka afaka iray volana, fara fahatarany, ny fisoratana anarana ho an’ny fampiofanana.
Nomarihin’ny talen’ny fifandraisana ivelany ao amin’ny Base, i Mahafaritsy Samuel, fa «nitaraina ny mponina satria tsy mba afaka niasa tamin’ny orinasa amin’ny harena an-kibon’ny tany efa nitsangana. Izay no mahatonga anay hampirisika ny tanora hisoratra anarana amin’ny fiofanana. Ilaina izany, satria tsy mbola firenena mpisehatra amin’ny harena ambanin’ny tany i Madagasikara, fa zatra fambolena sy fiompiana».
Rehefa tsy misy ny olona ao an-toerana manana ny fahaizana takina, vao mitady ao amin’ny distrika, na faritra, na nasionaly ary farany vao ny iraisam-pirenena ny orinasa.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: