Natao ny 20 janoary 2025 teo, tany Mahajanga, ny fampahafantarana manokana ny lanjan’ny fizahantany any amin’ny faritra arovana vaovao (NAP) Bombetoka-Belemboka. Nikarakara ny fotoana ny Ofisim-paritry ny fizahantany Boeny (ORTB).
Mampiavaka azy ny fananany ala honko, sy zavatra samihafa azo tsidihina. Toerana 30 km miala an’i Mahajanga, amin’ny RN4. Ahitana nosikely marobe, itoeran’ny karazam-borona samihafa tsy fahita raha tsy any an-toerana. Maro ny hetsika ara-pizahantany azo atao, ny fitsangantsanganana amin’ny endriny samihafa (birdwatching), toy ny fijerena ny karazana Vano mavokely (Flamants roses), ny fitetezana ala honko, ny mitsidika ireo mpanao asa tanana, mpanenona lamba landy, ahafahana manandrana ny fomba fanenomana azy.
Nanao hetsika manokana ny matihanina amin’ny fizahantany, niara-niasa tamin’ny vondron’ny mponina eny ifotony. Tanjona ny hanamafisana ny fikajiana ny Tahirin-javaboahary Bombetoka. Nisy ny fambolena hazo honko, miaraka amin’ny filamatra, «mpizahatany iray- hazo honko iray», ho fandraisana anjaran’ny mpizahatany hiarovana ny toerana.
Mitotaly 71 943 ha ny velaran-tanin’i Bombetoka, anaty distrika Mahajanga II, Mitsinjo ary Marovoay. Ahitana karazana varika 7, vorona 111, zavamaniry 29 ka tsy fahita raha tsy eto Madagasikara ny 16 amin’izany.
Njaka A.