Nampahafantatra an’ireo mpiara-miombona antoka ny paikadim-pirenena hiadiana amin’ny kolikoly ny eo anivon’ny Komity miaro ny fahitsiana (CSI), ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra, tamin’izany, fa manamarika ny dingana efa vita izany sady efa fandraisana andraikitra eo anivon’ny CSI manoloana ity ady ity.
Miroso amin’ny fametrahana ny “digitalisation” ny eo anivon’ny Apipa manoloana ny ady amin’ny fanotofan-tany tsy ara-dalàna. Mampiasa fitaovana manara-penitra toy ny “drone” mba hanaraha-maso ireo tsy fanarahan-dalàna momba ny fanorenana sy fanotofan-tany koa izy ireo. Arahana maso akaiky ireo toerana rehetra ahitana tranga toy izany.
Nosamborin’ny zandary ny mpampianatra ao amin’ny IST Antsiranana, Radovola Rakotobe, omaly. Anton’izany ny fiantsoany ny vahoaka ho eny anoloan’ny Hotel de ville hanohana ny ben’ny Tanàna voafidim-bahoaka sy ny tsy fanekena ny fametrahana PDS hitantana ny kaominina Antsiranana I.
Nihaino ny hetahetan’ireo mpiara-miasa aminy ao amin’ny fitsarana Ankazobe, ny herinandro teo, ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis. Nambarany, tamin’izany, koa ny hanamafisana ny politikan’ny fitsarana, manasongadina ny ady amin’ny kolikoly. Nanolotra fitaovana hanatanterahina ny asa andavanandro ny tenany, tamin’izany.