Voaasa manokana ny filoha Rajoelina Andry hanatrika ny fihaonana an-tampon’ny governemanta maneran-tany (WGS 2025), any Dubaï, Émirats Arabes Mitambatra.
Tanterahina ny 11-13 febroary ny fihaonana ka efa any an-toerana ny filoham-pirenena amin’izao fotoana izao. 30 any ho any ireo filoham-panjakana hanatrika izany. An-jatony ireo mpandray anjara, ahitana filohana fikambanana iraisam-pirenena toy ny Bad, ny tale jeneralin’ny FMI… “Famolavolana paikady ho amin’ny hoavin’ny governemanta maneran-tany” no lohahevitry ny fihaonana. Tanjona ny famondronana ireo governemanta maneran-tany, ireo fikambanana iraisam-pirenena, ireo mpanapa-kevitra, ireo mpitantana amin’ny sehatra tsy miankina… Hanamafisana orina ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izany, hiaraha-mikaondoha hanolorana vahaolana mahomby hiatrehana ireo fanamby amin’ny hoavy, indrindra ho ohatra sy ho fampirisihana any aoriana…
Hifantoka amin’ny paikady hanatsara ny fiainana maha olona ireo lahadinika sy adihevitra. Eo ny momba ny fitantanam-panjakana, ny famatsiam-bola sy ny toekarena maneran-tany, ny toetr’andro, ny maha olona ho laharam-pahamehana, ny fahasalamana…
Andry fototry ny fampandrosoana
Mahakasika an’i Madagasikara ireo lohahevitra ireo, mifanitsy amin’ny andry fototry ny fampandrosoana napetraky ny filoha Rajoelina Andry. Manome lanja manokana ny maha olona sy mametraka ho laharam-pahamehana ny fanjakana tsara tantana amin’ny alalan’ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra izany. Voaasa hanao lahateny momba ny haitarika ny filoha, anio, ary hizara ny traikefany amin’ny fitantanana. Hanana anjara fitenenana momba ny fizahantany izy, rahampitso. Hisy koa ny fihaonany manokana amin’ireo tomponandraiki-panjakana samihafa.
R. Nd.