Mahavoasazy : Voarara ny fanaovana sy fivarotana akanjo miaramila

Mahavoasazy ny fanaovana sy fivarotana akanjo miaramila. Betsaka loatra ny jiolahy mampiasa ireny akanjo ireny, entiny hanaovany ny asa ratsy ka antony nandraisana ny fanapahan-kevitra, raha ny tatitra voaray avy amin’ny Emmo-nat, omaly. Hisy, araka izany, ny fisavana sy fanaraha-maso eny rehetra eny manomboka izao, raha ny fanazavana voaray. « Hatramin’ny zoma izao, hanabe ny olom-pirenena tsotra ny mpitandro filaminana mba tsy hanao ireny akanjo ireny alohan’ny hampiharana ny lalàna manomboka ny sabotsy izao », hoy ny jeneraly Andriantahiana Jean Hubert Rakotomalala. Voasazy an-tranomaizina iray volana hatramin’ny dimy taona sy lamandy 300 000 Ariary hatramin’ny 9 000 000 Ariary ireo olona sivily tratra manao fanamiana miaramila, araka ny lalàna laharana faha-78-039 tamin’ny 13/07/78 ».
Tato ho ato, manao fanamiana miaramila ireo olon-dratsy eo am-panatanterahana asa ratsy. Maro ihany koa ireo olona mivarotra ireny fitafiana ireny ka mampitombo ny asa ratsy, araka ny fanazavana. Mikasa ny handray fepetra hentitra ny Emmo-nat manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity. Mbola hisy anefa ny fanentanana ireo olom-pirenena nanomboka omaly hatramin’ny zoma. Tanjona ny hahafantaran’ny rehetra izao fanapahan-kevitra izao.

Mino

Partager sur: