Nidina io tarehimarika io raha oharina ny tamin’ny taona 2023, tafakatra hatrany amin’ny 424 000 taonina (t), araka ny tarehimarika navoakan’ny fadintseranana.
Ny telo volana voalohan’ny taona 2024, milanja 82 000 t ny vary nafarantsika, nandritra ny telo volana faharoa, nidina
43 000 t izany. Tao anatin’ny telo volana fahatelo, manodidina ny 17 000 t ireo vary nafarana, raha tafakatra 119 000 t izany nandritra ny telo volana fahefatra. Noho izany, nahitam-pihenana 38,26% ny vary nafarana nandritra ireo roa taona voalaza ireo, izany hoe, 162 000 t.
Ankotra izay, manodidina ny 680,6 miliara Ar ny totalim-bidin’ireo vary nafarana tamin’ny taon-dasa. Nihena anefa izany raha oharina ny taon’ny taona 2023, tafakatra hatrany amin’ny 876,5 miliara Ar. Nitsinjara tamin’ireo fanarafana natao nandritra ny taona izany.
Ankilany, niakatra ihany koa ny famokaram-bary teto amintsika. Ny taona 2024, milanja 5,5 tapitrisa taonina ny vary akotry vokatra teto an-toerana raha toa 5 tapitrisa taonina izany tamin’ny roa taona lasa.
Maherin’ny 4 000Ar
Na niakatra aza ny voka-bary eto amintsika nandritra ny taona 2024, tsy nitsaha-niakatra ny vidiny eny an-tsena. Nahatratra hatrany amin’ny 4 000Ar ny kilaon’ny vary makalioka, izany hoe, 1 000Ar ny kapoaka, izay nampikaikaiky ny mpanjifa izany, ny antsasaky ny volana desambra teo. Niakatra nanaraka izany koa ireo karazany hafa toy ny manalalondo, ohatra. Zava-nisy izay nampitaraina ny mpanjifa, fa indrinda ireo tantsaha. Ireto farany izay nitaraina ny tsy fahafaha-mamokatra noho ny fahataran’ny orana.
Vokany, tafakatra 4 200Ar ny kilaon’ny vary ka nahatonga ny filoham-pirenena nanome toromarika hampidina ny vidiny ao anatin’ny fotoana fohy. Noho izany, napetraka ny Task Force Riz, nandrindrana sy hanatsarana ny seha-pihariana.
Nahomby ny paikady napetraka satria miparitaka eny an-tsena ireo vary nafarana jifaina 750 Ar ny kapoaka, tapa-bolana taorian’ny hetsika. Ankehitriny, miparitaka eny anivon’ny faritra ny vidim-bary vaovao, mihena ihany koa ny vidin’ny vokatra avy eto an-toerana.
Fanampiana
Nitondra ny anjara birikiny amin’ny famatsiana ara-tsakafo an’i Madagasikara ihany koa ny firenena japoney. Nanolotra vary milanja 2 411 t ho an’ny fanjakana malagasy, mitentina hatrany amin’ny 9,8 miliara Ar na koa 300 tapitrisa Yens, i Japon. Tetikasa tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa japoney ho an’ny fanampiana ara-tsakafo sy hanamafisana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo eto Madagasikara izy ity. Fiaraha-miasan’ny fanjakana roa tonta ho fanohanana ny tsena eto an-toerana, amin’ny alalan’ny rafitra voarindra sy hananganana tahirimbola manokana hanohanana ny tetikasam-pampandrosoana eto Madagasikara. Eo koa ny hampiakarana ny fari-piainan’ny Malagasy. Tonga tao Taomasina, ny 30 novambra lasa teo, ireo vary ireo ka namidy tamin’ireo Malagasy mpandraharaha. Ireto farany indray no manaparitaka ny vokatra eny anivon’ny mpanjifa, amin’ny vidiny 2 600Ar ny kilao. Ny tapaky ny volana janoary teo, nitotaly 4,8 miliara Ar ireo vola voaangona, izany hoe, 60,71%. Mipetraka eny anivon’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM) izany ka azo ampiasaina hanatanterahina ireo tetikasam-pampandrosoana rafetin’ny governemanta roa tonta, vantany vao feno 100%.
Vary safiotra
Antoky ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny voly vary safiotra noho izy mampiakatra avo ny famokarana. Hahazoana voka-bary 7 hatramin’ny 12 t/ ha ny tetikasa, antony hirosoan’ny fitondram-panjakana amin’ny fizarana masomboly amin’ireo tantsaha mpamokatra. Karazana vary safiotra 5 amin’ireo karazany 400 no hovolena eto Madagasikara, mifanaraka amin’ny toe-tany sy mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tanjona ny hampihenana ny fanafaram-bary fa indrindra hamerina an’i Madagasikara ho sompitry ny ranomasimbe Indianina sy aty Afrika.
Noho izany, natomboka tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro teo, tao Tanambe, distrika Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro, ny fizarana ny hanam-pamokarana sy masomboly vary safiotra. Mbola hitohy amin’ny faritra 12 manerana ny Nosy ny tetikasa. Kendrena ny hanovana sy hanatsarana ny rafi-pambolena eto Madagasikara. Anisan’ireo nisitraka ny tetikasa, ny sabotsy teo, ireo tantsaha ao amin’ny distrika Ambatofinandrahana. Samy nizarana masomboly sy zezika tsirairay avy ny tantsaha.
Henintsoa Hani