Olana ara-bola : Lasibatry ny famarinan’ olona ny tanora

Mahatonga faharefoana ny tsy fananana fidiram-bola azo antoka, indrindra tsy manana fahaleovantena ara-bola, na ho an’ny tanora na ho an’ny efa manana tokantrano. Mahatonga fiankinandoha amin’ny hafa izany ka lasa vesatra ho an’ny manodidina.
“Miteraka fanararaotana ihany koa rehefa tsy manana fahaleovantena ara-bola. Maro ireo tanora malagasy no lasibatry ny famarinana olombelona noho ny tsy fananana fahaleovantena ara-bola ka roboka anatin’ny fandrebirebena sy tolotrasa fitaka, indrindra any anaty tambajotran-tserasera”, hoy ny Birao misahana ny ady amin’ny famarinana olombelona (BNLTEH).
Zava-dehibe ny fahafahan’ny tanora mitantana ny volany sy mamorona fidiram-bola ara-dalàna ho fiarovana azy tsy ho lasibatr’izany. Fantaro ny zavatra mahaliana ary mila mametraka tanjona. Manokana fotoana hianarana zava-baovao sy hampitomboana ny traikefa araka asa. Manomboha fandraharahana madinika hanamafisana ny fahaleovantena ara-bola. Miaraha miasa amin’ny fikambanana sy sehatra manome fiofanana ara-bola sy araka asa.

Tatiana A

Partager sur: