SOMBIM-BAOVAO

Tonga ity ny taona 2025, hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy feo mandeha mahakasika ny fandaharanasan’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta. Tsia­hivina, amin’ity taona ity, hisy hetsika goavana horaisin’i Madagasikara, dia ny fifaninanana eo anivon’ny ranomasimbe Indianina andiany faharoa. Marihina fa ny filohan’ny Federasiona malagasy ihany no filohan’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja bisikileta.
Miakatra ny haavo teknikan’ny Ankoay, lehilahy, tao anatin’izay 10 andro niatrehina ny fampivondronana eny Vontovorona izay, araka ny nambaran’ny mpanazatra an’izy ireo, ny Coach Ravonimbola Jeannot. Nandresy hatrany ny Ankoay tamin’ireo lalao ara-pirahalahiana natrehina hatreto, izay lalao hanomanana ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”.
Andrasana, anio, ny fahatongavan’ireo mpilalao mpilaravinahitra, handrafitra ny ekipa malagasy, taranja basikety, izay hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana amin’ny “Afrobasket 2025”. Mpilalao 5 no andrasana amin’izany, ahitana an’i Mathias M’Madi, Jerry Pépin, Sitraka, Johan ary Lahontan Rija.
Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Etihad Stadium Angleterre, amin’ny 11 ora alina, ora aty Madagasikara, ny fihaonana mandroso eo amin’ny Manchester City, mpampiantrano sy ny Real Madrid, klioba espaniola. Fihaonana izay tafiditra amin’ny lalao sakan’ny “Ligue des Champions 2025”. Hatao ny alarobia 19 febroary kosa ny fifanandrinana miverina.

Partager sur: