Hampiakatra ny raharaha eo anivon’ny fitsarana ny fianakavian’ireo olona efatra niara-maty tetsy amin’ny fokontany Ivolaniray-Anosibe, ny alakamisy teo, araka ny fanazavan’ny fianakavian’ny maty. Miandry ny tohin’ny fanadihadiana ataon’ny sampana fikarohana heloka bevava kosa izy ireo, raha ny fanazavana.
Hita omaly maraina ny vata-mangatsiakan’ilay raim-pianakaviana natelin’ny ranomasina tany Tapakala, kaominina manakaiky ny tanànan’i Toamasina ambanivohitra. Tsy hita nanomboka afakomaly tamin’ny 3 ora sy 50 minitra tolakandro izy io.
Natolotra ny fampanoavana omaly ireo jiolahy 13 voarohirohy ho mpanendaka tany Mahabibo, Mahajanga. Anisan’izany, ny tovolahy iray 23 taona nosamborin’ny polisy ny alakamisy teo. Efa nigadra inefatra noho ny asa fanendahana izy io, raha ny fanazavana voaray. Zaza 15 taona ny iray tamin’izy ireo izay tratra nandika lalàna. Nosamborin’ny polisy tsirairay ny zoma teo izy ireo.
Mbola tsy hita popoka hatramin’izao ilay zaza varira 5 taona nisy naka an-keriny tao amin’ny fokontany Foroforo, distrika Vohipeno, omaly. Raha ny vaovao dia niaraka natory tamin’ny ray aman-dreniny izy no nisy naka, tsy naheno na inona na inona anefa ireto farany, fa rehefa nifoha avy eo izy ireo tokony ho tamin’ny 3 ora teo vao nahatsikaritra fa tsy hita teo intsony ilay zaza. Avy hatrany dia nampandre ny zandary izy ireo, ary efa miantomboka ny fanadihadiana sy ny fikarohana.