Efa nampidinina eo amoron-drano ny takelaby (bac), hamerenana ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-6. Voakasik’izany ny eo amin’ny fivilian-dalana Reniranon’Ifasy (PK 537) sy Mahavavy (PK 568). Mialoha ny hampiasana azy, eo am- pametrahana ny toerana misy ny mpamily (cabine de pilotage). Efa any an-toerana koa ny tomponandraikitra hisahana ny fampandehanana azy ireo.
Nampahafantarina ny tantsaha ny fomba fambolena cacao. Nisitraka izany ny mpamboly ao Analavory, kaominina Antsatsaka Sambirano, distrika Ambanja. Nohazavain’ny teknisian’ny Drae Diana azy ireo ny fomba fikojakojana ny voly Cacao, ny fomba fandratsanana ny raviny maina sady tsy ilaina. Toerana tena tsara indrindra eto Madagasikara amin’ny fambolena azy ity ny any Ambanja, noho ny toe-tany sy ny toetr’andro.
Miisa 40 ny tanora sy mpanabe niofana
amin’ny fiompiana trondro, tany amin’ny kaominina Ambatolahy, distrika Ihosy, faritra Ihorombe. Natao ny 8 febroary teo izany, ka ny tanora tantsaha beazina ao amin’ny fikambanan-dry Masera salezianina no nisitraka izany. Nampianarina azy ireo ny fahalalana fototra mahakasika ny fiompiana trondro, ny fanamboarana sakafon-trondro, ny fomba fitantanana ny rano, sns.