Fanombohana ihany iny, araka ny fanazavan’ny filohan’ny klioba GNVB, ny kolonely Rajaonarison Fortunat, fa mbola hisy lalao maro hatao. “Hanao lalao ara-pirahalahiana maro amin’ny klioba samihafa izahay aorian’izao”, hoy ny fanazavany ary efa eo am-pandaminana ny mahakasika izany. Nambarany ihany koa fa nifandanja ny lalao ary afaka nitarafana ny lentan’ny mpilalaon’ny GNVB.
Nanohana iny “match de défi”, natao ny faran’ny herinandro teo iny ny fikambanana NAE, izay tarihin’ny filohany, Rabarijaona Heritiana. Fikambanana manampy ny tanora amin’ny sehatra maro toy ny fanabeazana sy ny fanatanjahantena, ny NAE ary izany indrindra no antony nanohanan’izy ireo ny fifaninanana volley. “Ny taranja volley no nahavita fifaninanana ho an’ny sokajy Jeunes, nanomboka U14 miakatra, tamin’ny taon-dasa, ka resy lahatra izahay hanohana”, hoy ny nambaran’ity filohan’ny fikambanana ity.
Raha hiverenana ny voka-dalao, nifandanja izany teo amin’ ny sokajy lahy sy vavy, araka ny nambaran’ny mpanazatra ny ekipa nasionaly. Tsy mora ny nanambatra tao anatin’ny fotoana fohy ny ekipa nasionaly ka anton’ny faharesena izany, araka ny nambaran’ny Coach Tojo. Araka izany, ny ekipan’ ny GNVB no nandresy tamin’ ny lalao ho an’ny vehivavy, nahazo ny seta 3 noho 1 tamin’ ny lalao mandroso ary mbola nandresy ihany koa tamin’ny lalao miverina.
Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, nanantombo ny ekipa nasionaly nanoloana ny GNVB, ka nahazo fandresena 3 no ho 0, tamin’ny lalao mandroso. Tamin’ny alalan’ny Tie Break (15-5) kosa no nandresen’ny GNVB ny nasionaly, tamin’ny lalao miverina.
Mi.Raz