Fanadinana bakalorea: Mila hentitra amin’ny fahafenoan’ny antontan-taratasy

Afaka dimy volana ny fanadinana bakalorea. Dieny izao, efa manomboka ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry ny hiatrika izany. Tsy handeferana ny tsy fanajana ny fe-potoana sy ny antontan-taratasy tsy feno.

Nampahafantatra ny mi-nisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny amin’ ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika ny fanadinana bakalorea 2025. Nanomboka ny 3 fe­broary ary hifarana ny 25 avrily ny fisoratana anarana ho an’ireo hiatrika izany. Efa voafaritra mazava ny vola alaina amin’ireo mpianatra hiatrika izany. Manana 5 vo­lana hanomanana izany ireo mpiadina.
15 000 Ar ny vola aloan’ ireo misoratra ho mpianatra amina sekoly, 50 000 Ar kosa ho an’ireo kandidà mandeha tsotra ary 100 000Ar ho an’ ireo teratany vahiny.
Mila ampy tsara ireo antontan-taratasy rehetra ilaina ho amin’ny fisoratana anarana. Anisan’izany ny taratasy fanamarinana ny nandoavana ny vola. Ny taratasy mirakitra ny mombamomba ny mpiadina izay vita sonian’ny ray aman-dreny na ny mpiantoka, taratasy fanamarinana avy amin’ny dokoteram-panjakana manome alalana fa afaka manao ny adina ara-panatanjahantena. Ankoatra ireo, ny taratasy fanamarinam-pahaterahana latsaky ny 3 volana alaina eny amin’ny kaominina, taratasy fanamarinam-ponenana, sary tapaka mazava tsara miisa 2, miisa 3 kosa ho an’ny mpiadina ny bakalorea teknika. Valopy misy hajia iray.
Ireo antontan-taratasy tsy ampy na tara amin’ny daty voa­faritra dia tsy horaisin’ny Sampandraharahan’ny bakalorea ka mila mailo amin’ny famenoana ny taratasy ilaina rehetra sy ny fanajana ny daty farany ireo mpiadina.
Tsiahivina fa hotanterahina ny 21 jolay ka hatramin’ny 25 jolay izao ny fanadinana bakalorea ankapobeny. Ho an’ny bakalorea teknika kosa, ny 21 jolay hatramin’ny 25 jolay ho an’ny sokajy voalohany. Mi­tohy ny 28 ka hatramin’ ny 31 jolay izany ho an’ny andiany faharoa. Ho an’ireo hiatrika ny baka­lorea teknika dia tsy maintsy manana ny BEP na ny mitovy amin’izany.

Tatiana A

Partager sur: