FANTINA sy FINTINA

“Misitrika aho fa mamy ny miaina”, hoy ny ampahan’ny fananambaran’ny ben’ny Tanànan’Antsi­ra­nana, Djavojazara, omaly 11 febroary. Niparitaka tao amin’ny tambajotran-tserasera ny horonantsary maneho izany. Tsiahivina fa efa nametrahana PDS ny fitantanana ny kaominina Antsiranana I.
Hametraka fitoriana ny eo anivon’ny minisitera misahana ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Anton’izany ny fanaparitahana vaovao tsy marina miendrika fanambarana momba ny PDS ao Antsiranana. Notsiahivin’ny MFFT fa iharan’ny sazy momba ny ady amin’ny heloka ana habaka ireo nanao izany.
“Azo atao ny mamoaka lalàna hanokafana ny Raharaha Ratsimandrava”, hoy ny mpahay tantara, i Alexandre Lahiniriko. Nambarany fa 100 taona aorian’ny nahafatesany vao azo havoaka ny momba ny olona iray. “Azo havoaka ao anatin’ny 50 taona anefa ny raharaha momba ny fitantanan-draharaham-panja­kana, na taratasim-panjakana tamin’izany”, hoy izy.
Hanatsara ny kalitao ny eo anivon’ny fitsarana ka hamoaka ny tambatr’ireo didy navoakan’ny Fitsarana fandravana izay mahafeno ny fepetra maha maodely ny fomba fitsarana azy “Recueil de jurisprudence”. Handalo dingana anefa izany ka eo ny fisafidianana ireo didy fandravana nanomboka ny taona 2010 noho mankaty, araka ny nambaran’ny minisitera.

Partager sur: