Faritra Androy: Hatsaraina ny drafi-panajariana ifotony

Mitohy ny hetsika eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Tafiditra amin’ny fampandrosoana eny ifotony izany, ho an’ny faritra Androy.

Nanatanteraka atrikasa ho an’ny faritra, anisan’ny tantsoroka ara-teknika ho an’Androy, ny eo anivon’ny MFFT. Natao tao amin’ny Camp Flacourt Taôlagnaro ny hetsika, naharitra roa andro. Manohana izany kosa ny avy amin’ny tetikasa Mionjo.
Tanjon’ny atrikasa ny mba hipetrahan’ny fampandrosoana maharitra eny anivon’ny faritra. Ka anisan’ny nandray anjara mavitrika tamin’izany ny mpikambana eo anivon’ny Komitim-paritra momba ny Fanajariana ny tany (Crat), ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana (CTD) sy ny fitaleavam-paritra (STD). Teo koa ireo fikambanan’ny fiarahamonim-pirenena (OSC) sy ny avy amin’ny sehatra tsy miankina. Manampy izany ireo tetikasa sy fandaharanasan’ireo mpiara-miombon’antoka.
Anisan’ny iompanan’ny atrikasa ny fanatsarana ny fandrafetana ny Drafi-panajariana ifotony ny tany (Dift) ho an’ireo kaominina miisa valo ao amin’ny faritra Anosy. Anisan’izany ny any Isoanala, Ianabinda, Ivahona, Jangany, Tranomaro, Tsivory, Rano­pi­so, Manantenina. Raisina sy hatao ho laharam-pahamehana ireo. Teo ihany koa ny fitondrana ny fanavaozana sy ny vina ny Drafi-panajariana ho an’ny faritra (SRAT). Natao hamaritana ny lalànan’ny fanajariana ny faritra ho amin’ny roapolo taona ho avy izy io.
Tsiahivina fa nampandraisina anjara avokoa ireo hery velona tamin’izao fanangonan-kevitra izao. Niatrika izany ireo solontenam-panjakana, nahitana ireo sefo distrikan’Amboasary Atsimo sy Betroka ary ny sekretera jeneralin’ny fileovan’i Taolag­naro. Teo koa ireo ben’ny Ta­nàna.

Synèse R.

Partager sur: