Manohy ny fomba fiasa nahazatra azy, amin’ny fihaonana amin’ny mpanao gazety, ny eo anivon’ny faritra Vakinankaratra. Nitarika izany ny governora, Vyvato Rakotovao. Nambarany fa fomba fiasa eo anivon’ny faritra ny fandalana ny mangarahara ka azo noresahina sy nanontaniana avokoa ireo sehatra rehetra eo anivon’ny faritra. Anisan’izany ny lafiny toekarena, ny “Titre vert”, ny taninketsa indostrialy, ny voly vary safiotra. Nibahan-toerana kokoa ny fotodrafitrasa ka nitondrany fanazavana ny momba ireo lalan-dratsy eo an-tampon-tanàna sy ny mivoaka amin’ny kaominina manodidina. “Manana vina ny faritra amin’ny fanarenanana izany”, hoy izy. Nanteriny fa hiarahana miasa amin’ny any ivelany ary efa mandeha ny fanadihadiana momba ireo lalana efa tena simba. Manampy azy ireo ny minisiteran’ny Asa vaventy amin’ny fikojakojana ny lalam-pirenena faha-7.
Voaresaka koa ny angovo, ny tontolo iainana ary ny fandrakofana ala an’i Vakinankaratra.
Synèse R.