Niroso avy hatrany amin’ny asa heverin’ny maro fa mavesatra ny ben’ny Tanàna vaovao ao amin’ny kaominina Toamasina, Randriafanomezantsoa Lovaheritiana Alain. Anisan’ny fepetra noraisina ny tsy maintsy nandrodanana ny tranovato naorina eo ambony tetezana ao Mangarivotra. Nanao izany mba hanaovan’ny rehetra fanarahan-dalàna. Tsy hijanona eo fa hitohy amin’ny fandrodanana ireo fanorenana tsy manara-dalàna ny mpitantana ny kaominina any an-toerana. “Ampy izay ny gaboraraka sy ny kolikoly ary ny matoatoa”, hoy ny ben’ny Tanàna.
Etsy andaniny, anisan’ny asa mavesatra natomboka ihany koa ny fanesorana fako tao bazarikely, niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka. Efa nisavovona nandritra ny fotoana lava izany fako izany. Asa miandry ny mpitantana vaovao koa ny tsy maintsy hanafoanana ireo mpiasa mandray karama nefa tsy hita manao ny asany akory. “Tsy azo ekena izany…”, hoy izy. Ezahina koa ny tsy maintsy handaminana ny fifamoivoizana sy ny tsy fanekena ny gaboraraka ; ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Notakin’ny ben’ny Tanàna ny handraisan’ny rehetra anjara amin’ny asany mba tsy hisehoan’ny kolikoly sy ny tandrevaka.
Sajo sy Synèse R.