Karohina ny mpamily : Lehilahy maty voadonan’ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana tetsy amin’ny lalana akaikin’ny Clinique Malaza Andoharanofotsy, afakomaly alina tamin’ny 9 ora latsaka teo. Maty tsy tra-drano, voadonan’ny fiara tsy fantatra, ny lehilahy iray. Nampandre ny zandary avy ao Andohara­no­fotsy ny olona tsara sitrapo fa misy olona mitsirara sy maratra mafy eny an-toerana. Nidina nijery ny zava-misy teo an-toerana avy hatrany izy ireo taorian’izay, nanao fanadihadiana. Fantatra, tamin’izany, fa voadonan’ny fiara izy io ary nandositra avy hatrany ilay mpamily niaraka tamin’ny fiara noentiny.
Tsy nisy nahita ny nahavoadona ity lehilahy maty ity, vokany, very ra betsaka ity farany ka nitarika ny fahafatesany teo amin’io toerana io izany, raha ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny tomponandraikitra. Hita teo akaikin’ity lehilahy ity ihany koa ny potiky ny jiron’ilay fiara nandona azy. « Nentina namonjy hopitaly haingana, voalaza fa tsy tana intsony ny ain’ity lehilahy ity”, hoy ny mpitsabo. Ankoatra izay, tsy nahitana taratasy hahafantarana ny mombamomba azy, raha ny tatitra voaray.

Antsoina hanolo-tena ilay mpamily
Miantso ny mpamilin’ilay fiara nandona io olona io moa ny eo anivon’ny zandarimaria miasa eny Andoharanofotsy mba hahamora ny raharaha hanenjehina azy. Marihina fa efa miroso amin’ny famantarana ny momba ilay mpamily sy ny fiara nentiny ny zandary, amin’ny alalan’ny angom-baovao sy ny raki-tsary hita teny an-toerana.

Mino

Partager sur: