“Tsy mampandroso izany Tetezamita fiaraha-mitantana izany. Olona tsy mitovy programa ve no hiara-kitantana? Ny an’iza no tena hotanterahina? Aleo ny filoha Rajoelina Andry amin’ny nifidianan’ny olona azy hanao ny azy hatramin’ny farany”. Io ny fanehoan-kevitry ny loholona Ndremanjary Jean André, teny Anosy, omaly, ny amin’ny fitakian’ny mpanohitra sasany amin’izao. Efa naneho ny heviny sy nisafidy izay olona tiany hitondra ny tany sy ny fanjakana ny vahoaka. 12 lahy tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika no nifarimbona handresy ny filoha Rajoelina Andry, izay tsy resin-dry zareo fa mbola tany aminy ny safidin’ny vahoaka. Tsotra ny antony, nazava ny programan’ny filohan’ny Repoblika: ny maha olona, ny fampiroboroboana ny indostria, ny fanjakana tsara tantana. Izay no nisafidianan’ny vahoaka azy. Ny ankilany, nitondra “chou-fleur”, niditra tao amin’ny Kianjan’ny 13 mey, nanompa sy nanaratsy olona. Tsy programa izany fa fankahala olona iray: fantatra fa tsy ho resy. Ny Ceni sy ny HCC no nolazaina fa tomponandraikitra amin’ny faharesena. Nefa matoa tsy nofidin’ny olona, tsy maharesy lahatra ny programany.
“Misy milaza hoe tsy manao na inona na inona ny fitondrana”, hoy izy. Tsy marina izany. Nefa sady mifofotra no mively vy ny filoha Rajoelina Andry. Ny mpanohitra no tsy miala amin’ ny toerana misy azy, ka tsy mahita ny zavatra ataony. Mandeha, ohatra, ny fanamboaran-dalana RN 12, Vangaindrano-Taolagnaro. Maniry toy ny anana ny sekoly manara-penitra any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Tsy misy mandà fa sahirana ny vahoaka. Tsy misy izany hoe mijery fotsiny ny fahavoazan’ny Malagasy izany.
R. Nd.