Rugby – “AROI 2025” : Hotanterahina ny volana avrily

Hampiantrano ny fifaninanana iraisam-pirenena indray ny Malagasy Rugby. Hisantatra izany ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny sokajy zandriny latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy, eo amin’ny rugby lalaovin’olona 7. Mikarakara izany ny fikambanan’ny rugby aty amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina na ny Aroi. Hatreto, tsy mbola voafaritra ny daty hanatontosana ny fihaonana.
Ho fanomanana izany, hisy ny fifantenana ataon’ny teknisianina eo anivon’ny Malagasy Rugby, ny sabotsy 22 febroary tontolon’ny andro, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka. Amin’ny alalan’ny fifaninanana no hitiliana izay handrafitra ny Makis de Madagascar. Handray anjara amin’izany ireo fileovana manana ekipa zandriny sy ireo sekolin’ny rugby rehetra. Efa nisokatra nanomboka omaly ny fisoratana anarana ary hifarana ny 17 febroary ho avy izao.
Firenena efatra no efa nanambara fa handray anjara amin’izany: i Madagasikara mpampiantrano, La Réunion, Maurice ary i Mayotte.

Tompondaka

Partager sur: