Raha misy zavatra mampikatso ity firenena ity angamba dia ny fizirizirian’ireo nomem-pahefana. Betsaka loatra ny sarotra atoro. Maro ny mihevi-tena fa rehefa manam-pahefana dia tampom-pahaizana. Toa tendritendrena fahatany ny mpanolotsaina, zarazaraina ny toerana. Fa tsy henoina sy mba raisina ny torohevitra.
Mahavariana fa ny tsy mahay sy tsy mahafehy ny sehatra no toa matihanina sy henoin-teny. Izay lasitra napetraka tsy mandeha amin’ny laoniny no avadika ho tena politika mampahomby. Toy izay hatrany! Tsy mahagaga fa boribory vetaveta, mihodinkondina an-toerana ny zava-drehetra. Sady tsy mandroso no tsy mihemotra.
Tena hoe mahavalalanina ny ataon’ny olona sasany. Manao izay danin’ny kibony amin’ny firobarobana amin’ny fahefana ananany. Tsy mahay mitsinjo vodiandro ho merika fa manampatra ny hery eo am-pelatanany. Tsy tokony hadino anefa fa mandalo ny fahefana sy ny zava-drehetra. Tsy misy ny maharitra izany!
Vanim-potoana saro-pady izao ho an’ny politika ana-tin’i Madagasikara. Miroborobo sy mandeha tsara ny ara-diplaomatika sy ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Tena mampiaiky volana ny fahaiza-manaon’ny filohan’ny Repoblika. Tsy misy mody maina izany vao misy ny fifampiraharahana avy any ivelany. Misy foana ny voan-dalana entiny.
Izay indrindra no ilana ny fahamailoana amin’ny tompon’ny fanapahan-kevitra toa azy. Maro ny olona manao volo mpanoha randrana sy fandoto iray tandroka. Tsy manaiky ho tompon’andraikitra amin’ny fahavoazana. Mitady fomba hanadiovan-tena ka hanilihana ny zavatra tsy mandeha amin’ny hafa.
Tokony hijery lavitra ny filohan’ny Repoblika manoloana ny toe-javamisy ankehitriny. Betsaka loatra ny mazan-doha sy sarotra atoro. Miziriziry amin’ny hevi-diso sy ny politika tsy mandeha amin’ny laoniny.
r.r