Fihenam-bidy. Hihena hatrany amin’ny 73% ny saran’ny sidina anatiny ataon’ny kaompania Madagascar Airlines. Tolotra manankery ho an’ireo mividy tapakila hatramin’ny 23 febroary, araka ny fanambarana nataony. Noho izany, manomboka amin’ny 353 500Ar ny saran’ireo sidina rehetra. Tolotra natao ho an’ireo mamandrika tapakila eo anelanelan’ny volana mey 2024 ka hatramin’ny volana avrily 2026. Tanjona ny hanomanan’ny mpanjifa am-pilaminana ny diany.
Ankoatra izay, tafiditra amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany anatiny ka ahafahan’ny mpanjifa misitraka tolotra ara-kalitao sy sahaza ny fahefa-mividy ary ho fampandrosoana ny toekarena ny hetsika atao. Dingana iray ao anatin’ny drafi-panarenana “Phénix 2030” ny tolotra atao, hanatsarana sy hampaharitra ary ho fanitarana ny vina rehetra apetraky ny orinasa. Kendreny ny hanomezana tolotra vaovao sy samihafa, indrindra ho an’ny tombontsoan’ny mpanjifa.
Henintsoa H.