Tenindreny : Hisy ny Tombokavatsan’ny teny malagasy

21 febroary, « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ». Hanatanteraka hetsika miavaka eto an-dRenivohitra ny Fikambanan’ny poety sy mpanoratra malagasy Ha­vàtsa-Upem, amin’io fotoana io. « Tombokavatsan’ny teny ma­lagasy », hotontosaina ao amin’ny efitrano malalaky ny Havoria Anosy, ny zoma 21 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny fiantsana tononkalo ravahin’ny hiran’ireo sakaizan’ny Havàtsa-Upem. Anisan’izany i Mialy Rakotomamonjy, ny Diantana Mozika ary i Ayam. Ho hita eny an-toerana ihany koa ny boky « Tombokavatsa » hirakitra ny aingam-panahin’ireo mpikambana Havàtsa-Upem.

Ezaka mitohy
Anisan’ny fikambanana manatanteraka sy manatevina ny hetsika ataony isaky ny fankalazana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » ny Havàtsa-Upem. Tombony lehibe amin’ny fanatrehana izany ny fahitana fitsimohana talenta eo amin’ireo mpitsidika. Tsy vitsy ireo taitra sy nifoha ny talentany noho ny fahitana sy famakiana ny aingam-panahin’ireo mpanoratra mpikambana ao amin’ny Havàtsa-Upem.
Tsy tokony hijanona amin’io fahatairana io anefa ny talenta, raha ho an’ny mpitsidika sy mpanatrika ny hetsika tahaka itony. Mila tohizina ny ezaka. Mila mianatra sy mandalina hatrany. Mila mivelatra amina sehatra hafa ihany koa mba hoenti-manatevina ny asa soratra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: