TSELATRA

Raim-pianakaviana iray may vokatry ny fahamaizan’ny trano nonenany, omaly maraina. Taraiky tany amin’ny efitra ambony ny zafikeliny iray ka nanavotra azy io izy no may. Niainga tany amin’ny efitra ambany ny afo, nahitana solika ka nampiredareda malaky ny afo. Efa nentina tany amin’ny mpanao ody may izy io taorian’ny tranga. Tsy nisy ny aina nafoy.
Renim-pianakaviana 40 taona maty teny amoron-dalana, tany Fianarantsoa, ny alatsinainy lasa teo. Anisan’ireo tsy manan-kialofana tany an-toerana izy io ka nandrasan’ireo namany sy izay akaiky azy teo amoron-dalana. Tsy nitazam-potsiny ny solombavambahoaka voafidy tany an-toerana, fa nanome fiara nandefasana azy tany an-tanindrazany.
Lehilahy sivy sy vehivavy roa anaty tambajotran-jiolahy ireo voasambotry ny polisim-pirenena, nandray anjara tamin’ny fanafihana mitam-piadiana teto an-drenivohitra, nanomboka ny volana janoary lasa teo. Anisan’ny nanaovan’izy ireo ny asa ratsiny ny teny Alasora, Analakely, Ampasamadinika sy tamin’ny toerana hafa, raha ny tatitra avy amin’ny polisim-pirenena, omaly.
Taksiborosy iray no may kilan’ny afo teo anelanelan’i Manakara sy Irondro, 2 km tsy hidirana ny tetezamby any Namorona, omaly maraina. Nihazo an’i Fianarantsoa avy any Farafangana io fiara io no izao tra-doza izao. Raha ny fantatra, nisaofy ilay fiara rehefa niaka-piakarana, nahatonga ny firehetany. Nivoaka avy ao anaty “capot” ny afo, tsy nisy ny naratra sy maty fa may avokoa ny fiara sy ny entana rehetra tao anatiny.

Partager sur: