Efa manomboka tonga tsikelikely eto Madagasikara ireo mpilalao basikety milaravinahitra any ivelany, hiatrika ny dingana faran’ny fifanintsanana “Afrobasket 2025”. Anisan’ny andrasan’ny maro ny fahatongavan’ny andrarezina, i Mathias M’Madi, mpilalao manana ny maha izy azy sy misongadina. Ny talata 18 febroary izao no higadona eto an-tanindrazana i Mathias M’Madi, araka ny vaovao voaray. Anisan’ny andry iankinan’ny Ankoay i M’Madi raha ny zava-bitany nandritra ireny “Afrobasket U18” natao teto Madagasikara sy ireny fiadiana ny amboara maneran-tany U19 ireny. Raha ny fantatra ihany koa, higadona an-tanindrazana anio, Raharimanantoanina Sitraka, mpilalao milaravinahitra any Frantsa, izay efa anisan’ny nanampy ny ekipa malagasy tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena natrehina. Ankoatra izay, ho avy eto Madagasikara, ny alatsinainy 17 febroary izao kosa, Randriamananjara Johan Andy, sambany hanatevin-daharana ny ekipan’ny Ankoay. Araka izany, ho feno tanteraka ny ekipa malagasy amin’ny herinandro ho avy io ary hihamafy ny kotrana sy ny fanazarantena, indrindra ny fanamifasana ny fampitambarana ireo mpilalao ireo eny ambony kianja.
Mi.Raz