Satria, mipetra-potsiny, tsy ampiasaina dia arafesina, bobongolo, simba ! Io no anisan’ny tranga mamotika tsikelikely ny teny malagasy. Tsy miasa amin’ny tokony ho izy, hany ka levona sy miha very tsikelikely. Na miezaka mamaha olana aza ny mpikaroka sy ny anti-panahy, very maina ny ezaka ataon-dry zareo, satria, tsy misy mihaino. Vahaolana, tsotra, tsy saro-tadiavina sady manaraka lamina voajanahary : « Mila miteny malagasy ny Malagasy. Vao any ambohoka, mandalo ny fahazazana sy ny maha ankizy ary mby eo amin’ny fahatanorana, mila tezaina sy beazina amin’ny teny malagasy ny taranaka malagasy ».
Tsy nohenoina ny mpikaroka sy ny anti-panahy. Nanjary niankina tamin’ny fanapahan-kevitra politika ny zotra narahin’ny teny malagasy. Fikarakarana taratasy any amin’ny rafi-pitantanana isan’ambaratonga, amin’ny teny frantsay. Ny lalàna, ny didy sy ny hitsivolana, sns, amin’ny teny frantsay… Rehefa niverina ny fahaleovantenam-pirenena. Mbola nanao randra-mitarika ihany ireo.
Mila ampiasaina ny teny malagasy. Any amin’ny tontolon’ny fanabeazana (ankohonana, fianakaviana, fikambanana isan-tsokajiny, fiarahamonina…). Any amin’ny tontolon’ny fampianarana (ambaratonga fototra ka hatrany amin’ny ambaratonga ambony…). Any amin’ny isan-tsehatra (birao, asa,…). Teny malagasy no teny ampiasaina (hitaizana sy hanabeazana ny taranaka, hifampiresahana, hifampitam-pahalalana sy hevitra, hoenti-mampianatra, …).
HaRy Razafindrakoto