Fahavitan-tena ara-tsakafo : Nampivoatra ny fomba famokarana ny Sanoi

Nahomby ny fanavaozana ny fomba famokarana, notohanan’ny fandaharanasa Sanoi. Voakasik’izany ny firenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, ka anisany i Madagasikara.

Nanomboka ny taona 2021 ary nifarana tamin’ity 2025 ity ny fandaharanasa Tantsoroka ho an’ny fanjarian-tsakafo aty amin’ny ranomasimbe Indiana (Sanoi). Namolavola azy ny Vondrona ranomasimbe Indianina (COI), notohanan’ny Vondrona eoropeanina 16 tapitrisa euros. Ni­sitraka azy ny firenena 4 (i Ma­dagasikara, Kaomoro, Mao­risy ary Seychelles), niara-ni­ombo­na antoka ta­min’ny fikambanana sy rafitra manodidina ny 30. Anisan’ny faritra notohanan’ny Sanoi teto amintsika, ny faritra Itasy, Bongolava, Vaki­nankara­tra. Nokendrena manokana ny vehivavy sy ny tanora, indrindra ny avy amin’ny fianakaviana marefo. Asa natao ny fampiroboroboana ny fomba fa­moka­rana, nampiasana ny agroekolojia maharitra afaka miatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Raha ny teto Madaga­si­kara, noha­tsaraina ny ma­som­boly ho an’ ny katsaka, ovy, tsaramaso, vary, legioma sy hanikotrana.
Nohamafisina ny fiarovana ara-pahasalamana sy ara-pahadiovana amin’ny sakafo, manara-penitra (SPS), ka nam­pifandraisana ny laboratoara any amin’ny foibem-pika­rohana voakasika, ka anisan’izany ny Fofifa eto Mada­gasikara.

Tohizana ny efa natao
Nentanina sy notohanana mahakasika ny fahaizana mi­sakafo ara-pahasalamana ny tokantrano sahirana sy marefo. Nohatsaraina ny fahazoam-baovao momba ny fanjarian-tsakafo, tamin’ny alalan’ny fanentanana amin’ny haino vaky jery. Nahatratra 40 000 ny vehivavy sy tanora nahazo fanentanana hanatsarana ny sakafo hohanina sy vokarina.
Nilaza ny filohan’ny COI, Razafindravahy Edgar, nandritra, ny famaranana ny Sanoi, teto Antananarivo, fa tohizana ny tanjona napetraka na tapitra aza ny fandaharanasa. Anisan’ny hifantohana ny fanavaozana ny rafitra ara-tsakafo, ny fanamorana ny fa­hazoana tany, ny fampiasam-bola, ny fanapariahana ny karazana masomboly voafantina, sns.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: