Notanterahina omaly, tany Dubai, ny fanaovan-tsonia santatra. Fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana roa tonta. Antsoina hoe Accord de partenariat économique global na Comprehensive Economic Partnership Agreement (CEPA) izany fifanarahana izany.
Nisolo tena ny fanjakana malagasy, tamin’izany, ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, misolo toerana ny minisitry ny Raharaham-bahiny ary ny Dr. Thani bin Ahmed Al Zeyoud, minisitra eo anivon’ny minisiteran’ny Tsena ivelany, an’ny fanjakana Emirats Arabo Mitambatra. Tanjona ny hanamafy orina ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy ny fanjakana Emirats Arabo Mitambatra. Indrindra eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny ara-barotra.
Ankoatra izay, tontosa ihany koa ny sonia fifanarahana ara-toekarena sy ara-barotra. Ahafahan’ny firenena roa tonta miroso amin’ny lalina sy manamafy ny sehatra ara-barotra, ara-toekarena, ara-indostrialy. Sehatra iray, hahafahan’i Dubai sy ny Emirats Arabo Mitambatra manolo-tanana sy manome famatsiam-bola ary traikefa ara-indostrialy sy ara-barotra an’i Madagasikara. Hotanterahina amin’ny volana mey, any Dubai, ny « Forum économique ». Ho avy hanatrika izany ny delegasionina miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, toy ny jono, ny famokarana herinaratra.
Mino