Nahazo vaovao avy amin’ ny olona tsara sitrapo ny Borigadin’ny zandarimaria Fascene, mahakasika ny fisian’ireo olona mampiahiahy tany Mangirakirana, Fokontany Mahazandry, kaominina Nosy Be. Mety hiondrana antsokotsoko sy hifindra monina tsy ara-dalàna any Mayotte, ny 8 febroary 2025 tamin’ny 4 ora maraina teo, izy ireto. Tonga teny an-toerana voalaza avy hatrany ny ekipa 5 notarihin’ny Capitaine Ratsimbazafy Nirintsoa Patrick sy ny Compagnie avy any Nosy Be. Tsy nahita mpandeha teny an-toerana anefa izy ireo na dia iray aza. “40 teo ho eo ireo olona nidina tamin’ny lakana haingam-pandeha (vedette) ary nandray fiara avy hatrany”, hoy ny fanazavan’ny lefitry ny sefo fokontany. Nanomboka ny fisavana ny toerana sy faritra rehetra teny amin’ny manodidina taorian’izay. Hita teo akaikin’ny ranomasina ny lakana haingam-pandeha misy “moteur” roa, 40 sy 55 chevaux, solika 950 litatra, nozaraina tamin’ny bidon 15 tamin’ny 50 litatra sy bidon 10 tamin’ny 20 litatra.
Voasambotry ny zandary nanao fisavana, nandritra izany, ny mpikarakara sy ny mpiray tsikombakomba aminy iray, taorian’ny vela-pandrika natao. Nentina tany amin’ny police judiciaire (EPJ) any Nosy be avy hatrany izy ireo taorian’izay, hanaovana fanadihadiana. Ny fanohintohinana ny ain’ny hafa sy ny fanondranana olona antsokosoko no antony hiampangana ilay mpikarakara.
Nitohy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary avy eo, tratra teny Ambodivoanio, ny alina ihany, ireo vehivavy efatra tamin’ny mpandeha. Nandoa vola 2 000 000 hatramin’ny 2 600 000 Ariary tamin’ilay mpikarakara izy ireo mba ho saran-dalana mankany, raha ny fanadihadiana natao tamin’izy ireo.
Mino