Fitakian’ny RMDM: “Atsaharo ny tsindry sy ny ramatahora”

Notanisain’ny RMDM, oma­ly, tetsy Bel Air, fa voahitsakitsaka ny lalàna fototra sy ny zon’olombelona ary ny demokrasia eto amin’ny firenana, amin’izao fotoana izao. Maro ireo tranga niseho tato ho ato manamarina izany, araka ny nambaran’ny mpitarika, ny pasitera Tsarahame Edouard. Notanisainy tamin’izany ny fisamborana ireo mba maneho hevitra na koa ny olona mivory ka voizina fa ha­nongam-panjakana. “Atsa­haro ny tsindry sy ny ramatahora ary ny faneriterena… Tsy mahazo mivory sy miteny noho ny anjara biriky hanarenana ny firenena izany isika. Lokoina fanonganam-panjakana avokoa ny atao rehetra”, hoy izy.
Nohelohin’ny RMDM ny fanaovana tsindry amin’ireo mpiasam-panjakana mijoro amin’ny fahamarinana sy ny fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Eo koa ny fanovana ny safidim-bahoaka tamin’ny voka-pifidianana…
Manoloana izany, niantso ny rehetra izy ireo mba samy ho tompon’antoka amin’ny fanarenana ny firenena. Tsy avela hijanona amin’izao ny vahoaka sy ny tanindrazana, araka ny nambaran’ny RMDM. “Adidintsika ny mijery ny tombontsoam-pirenena… Lalan-tokana hahatongavana amin’izany ny firaisankina. Maka fanapahan-kevitra isika rehefa miray hina sy saina ary feo avy eo…”, hoy izy. Nohitsiny fa tsy afaka ny hitazam-potsiny izao manjo ny firenena izao ny RMDM ka niantsoan’izy ireo fifanomezan-tanana. Tsy midika ho fanonganam-panjakana izany fa fanavotana ny tanindrazana, araka ny nambaran’izy ireo.

Synèse R.

Partager sur: