Natolotra omaly, teny Andraharo, ny lokan’ireo tsara vintana rehetra amin’ny «lalao’ tsika» andiany fahefatra nokarakarain’ny Yas Madagascar. Hetsika anisan’ny andrasan’ny mpanjifa isan-taona ny «lalao’tsika». «Natao hizarana fanomezana ho an’ny mpanjia sy hampahafantarana ny tolotra rehetra misy eo amin’ny Yas Madagascar ny lalao», hoy ny tomponandraikitry ny orinasa, Andriambololoniaina Riantsoa. Tamin’ity andiany fahefatra ity, miisa 32 ireo tsara vintana tamin’ny lalao. Anisan’ireo loka goavana tamin’izany ny scooter New Eagle 50 Nitro.
Mividy tolotra Yas manomboka amin’ny 1 000Ar dia nahafahan’ny rehetra nandray anjara tamin’ny lalao izay natao ny 12 desambra 2024 ka hatramin’ny 23 janoary teo.
Ankoatra izay, nisitraka fanomezana toy ny someso, antso, « data » ary tolotra manokana ireo mpandray anjara rehetra. Natao izany ho tombontsoan’ny mpanjifa sy hampiroboroboana ny orinasa.
Hatramin’ny andiany voalohany, mitombo isa hatrany ireo mpandray anjara amin’ny lalao noho izy tsotra sy mora ary sahaza ny fahefa-mividin’ny besinimaro. Laharam-pahamehan’ny orinasa ny fanasoavana ny mpanjifa amin’alalan’ireo tolotra samihafa ataony fa indrindra ireo hetsika sosialy sy ny tontolo iainana mba ho lovainjafy ho fampiroboroboana ny toekarem-pirenena.
Henintsoa Hani