Lisi-pifidianana: Hifarana ny 15 febroary ny fisoratana anarana

Mampahatsiahy ny olom-pirenena ny eo anivon’ny Ceni fa atomotra ny fikatonan’ny fisoratana anaty lisi-pifidianana. Manentana ny rehetra izy ireo amin’izany.

“Manentana antsika olom-pirenena, tsy mbola anaty lisitry ny mpifidy mba hanatona ny fokontany hisoratra anarana. Mbola manana fotoana isika hanatanterahina izany”, hoy ny eo anivon’ny Ceni tamin’ny alalan’ny mpanolotsaina, Ravalitera Jacques Michael, omaly. Notsiahivin’izy ireo fa hifarana ny sabotsy 15 febroary izao ny fahazoana misoratra anarana eny anivon’ny fokontany raha efa nisokatra ny 1 desambra teo izany. Nentanin’ny Ceni, noho izany, ireo hanoratra ny anarany mba hitondra ny karapanondrom-pirenena.
Nohazavainy koa fa ireo olom-pirenena feno 18 taona no tafiditra anatin’io tokony hisoratra anarana io. Na izany aza, eo koa ireo sokajin’olona hafa. “Anisan’izany ireo tsy mbola nisoratra anarana tanaty lisitry ny mpifidy, taorian’ny namaranana izany ny 15 mey. Manana zo feno hisoratra anarana ireo tsy mbola nanao izany mihitsy”, hoy izy.

Haverina eny anivon’ny fokontany
Etsy andaniny anefa, tsy afaka misoratra anaty lisitry ny mpifidy ireo voasazy ara-pitsarana. Olom-pirenena voamarina fa monina eo anivon’ny fokontany koa ilay misoratra anarana ary manana zo feno hanao izany, araka ny nambarany hatrany.
Natsidiny sahady koa anefa fa hifarana vonjimaika ny 15 febroary izao izany. “Haverina eny anivon’ny fokontany izany ny 28 febroary. Anjarantsika ny mijery sy manamarina na ao anatin’ny lisi-pifidianana na tsia ny anarana sy ny momba antsika ary manao fanamarihana momba izany”, hoy ihany izy.
Ankoatra izany, nohazavaina fa maka fanamarinam-ponenana ireo nifindra monina amin’ny fokontany hafa mba hahafahana mampiditra azy indray amin’ny rejisitry ny fokontany, hipetrahana.

Synèse R.

Partager sur: