Minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena: Tanora maherin’ny arivo homena fiofanana

Hotanterahina any Toa­masina, manomboka ny 21 hatramin’ny 23 febroary ho avy izao, ny fanombohan’ny tetikasa “Tanora mandrafitra ny ho avy”. Araka ny fanambarana nataon’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), i Marson Mous­tapha Abdulah, omaly, tetsy Mahamasina, miisa arivo mahery eo ny tanora omena fiofanana araka asa eto Madagasikara, amin’ity hetsika ity.
Mizara roa ity fiofanana ity, voalohany izay hiarahana amin’ireo mpiara-miombona antoka, toy ny fikambanana iraisam-pirenen’ny frankofonia (OIF) sy ny Pnud. Ary ny faharoa, hiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ara-teknika. Tanjon’ity paikady politika ho an’ny tanora ity ny hananan’ireo tanora malagasy fahaleovan-tena amin’ny famoronana asa.
Tsara marihina fa zava-dehibe tokoa ity tetikasa karakarain’ny MJS ity. Efa tafiditra anatin’ilay fihaonamben’ny tanora “Youth Connekt Summit 2025”, izay hotontosaina eto Madagasikara, ny 26 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao, izany. Am­pahatsiahivina ihany fa efa nisy ny fiofanana izay natao niaraka tamin’ny OIF, ny volana desambra lasa teo, ary miisa 80 teo ireo tanora nisitraka izany.

F.R

Partager sur: