Notontosaina nanomboka ny alatsinainy teo, tany Kameronina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja Badminton. Anio kosa Ramanana Rahary Lalaina, Malagasy mpilaravinahitra, any France, no hiaka-tsehatra. Tanjony ny hibata medaly iray mandritra ity fifanintsanana ity.
Tafakatra amin’ny laharana faha-38 maneran-tany, eo amin’ny sokajy latsaky ny 70kg, Seniors ny judokas malagasy, Rasoanaivo Razafy Laura, araka ny filaharana navoakan’ny Federasiona iraisam-pirenen’ny Judo. Teo amin’ny laharana faha-40 no nisy azy teo aloha.
Hotontosaina ny 29 Marsa izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Bodybuilding, ho an’ny taona 2025. Nisy ny fivoriana ny sabotsy 8 febroary lasa teo, niarahan’ny federasiona sy ny klioba rehetra nifandinika ireo fifaninanana rehetra ho avy amin’ity taona 2025 ity.
Tsara toerana ny Real Madrid, ekipa espaniola, amin’izao fotoana izao. Resin’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 2, ny Manchester City, klioba anglisy. Fihaonana izay notontosaina tany Angleterre. Tsiahivina fa hatao amin’ ny alarobia ho avy izao, any Espagne ihany, ny fifanandrinana miverina.