11 febroary 1975-11 febroary 2025. 50 taona katroka ny nahafatesan’ny filoham-panjakana, ny kolonely Ratsimandrava Richard, izay nisy nitifitra. Tamberina fohy…
“Tsy hiamboho adidy aho, mon général. Satria mitady olona handray andraikitra izao fotoan-tsarotra diavin’ny firenena izao. Ekeko antsakany sy andavany izao fahefana feno atolotrao ahy izao. Koa fisaorana no atolotra anao amin’ireo tsodrano sy firarian-tsoa natao ho ahy sy ho an’ny governemanta tarihiko”. Io ny valin-tenin’ny minisitry ny Atitany, ny kolonely Ratsimandrava Richard, tamin’ny jeneraly Ramanantsoa Gabriel taorian’ny nanolorana azy ny fahefana feno hitondra ny tany sy ny fanjakana teny Ampahibe, ny 5 febroary 1975. Tsy nampoizina? Voalaza fa na izy na ny minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Capitaine de fregate Ratsiraka Didier no notolorana ny fahefana. Nametraka fepetra ny handefasana azy ho ambasadaoro any ivelany ity farany. Tsy ela, nisy nitifitra teny Ambohijatovo Ambony izy, araka ny fanambaran’ny jeneraly Andriamahazo Gilles tao amin’ny radiom-pirenena, ny marain’ny 12 febroary 1975.
50 taona lasa izay… Hatramin’izao, mbola mahabe adihevitra, ohatra, ny hoe: iza marina no atidoha nikotrika ny famonoana, taiza marina izy no maty…? Hatramin’ny hoe fakana an-keriny no saika hatao. Ny poabasy tampoka tsy fanta-piaviana no nampikoropaka an’i Zimbo nitifitra varariraka avy hatrany ny fiara nitondra azy. Inona ny marina? Mbola mahabe adihevitra ny antony namonoana azy. Misy milaza fa antony politika. Eo koa ny lafiny toekarena.
Nifandray akaiky tamin’ny vahoaka izy
Azo itarafana ny fomba fiasany fony izy minisitry ny Atitany ny kabariny, ohatra. Santionany: “Eo amin’ny alaolana, misy zavatra roa. Mety misy fanontaniana avy aminareo ny hoe: ahoana ny lalàna toy izao? (…) Hazavaiko ny lalàna misy. Hazavaiko ny fomba fanao sy ny fomba fampiharana azy. Ary amin’ny lafiny iray kosa, misy ny fisehoan’ny hetahetanareo, ny fanirianareo, izay zavatra tokony hampidirina amin’ny fanamboarana izay mety mbola hatao rehetrarehetra. Ka izaho amin’io tsy mihambo mihitsy hoe tonga dia izay teny havoakan’ny vavako eo dia lalàna velona dia manankery dia tonga dia foana ny halatra omby. Raha mahavita an’izay aho dia nataoko, fa tsy vitako izay. (…) Fa fanazavana no homeko. Fanazavana izay ahafahanareo mahatsapa ny hoe izao no mba manahirana anay governemanta koa”.
“Betsaka ireo manao vato manohariana izay misakana ny fivoarana katsahintsika eto amin’ny firenena. (… ) Ny lalan’izany fivoarana izany dia mandeha amin’ny fandraisam-pahefana avy amin’ny vahoaka mivantana. Izao Tetezamita izao dia tsy maintsy miafara amin’ny fitondrana demokratika na entim-bahoaka. Fa tsy misy velively ny fikatsahana ny hoe hitondra ity firenena ity amin’ny didy jadona. Ka amin’izany dia hatao daholodaholo ny fanomanana hahatongavantsika amin’izany tanjona lehibe izany, izay eo amin’ny firenena manontolo no hisian’ny fitondrana entim-bahoaka. Ary efa natombotsika izany izao tamin’ny fananganantsika ny fokontany sy ireo komitim-pokontany”.
Notontosain’i R. Nd.