Ny alahady 16 febroary izao ilay seho goavana homanin’i Njakatiana. Hotontosaina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina izy io, manomboka amin’ny 3 ora hariva. “Hiran’i Njakatiana ranoiray no ho ao. Tsy hisy hoe mpanakanto na tarika nasaina hanao ny hirany. Kanefa, manana hira fampiaraham-peo maro aho, ka mety misy namana vitsivitsy hasaiko hiaraka an-tsehatra hamerina izany”, hoy ny fanazavan’i Njakatiana, omaly.
Mahalaza zavatra maro ny anaran’ny fampisehoana. “Tena matotra satria efa nisy seho nataonay taloha hoe Matotra. Mamatotra anay ity Tena matotra ity, mba hanome ny tsara indrindra ho an’ny mpankafy, tsy ny tarika ihany fa ny rehetra anatin’ny fikarakarana”, hoy hatrany ny fanazavana. Manampy izany ny maha goavana ny seho, satria tamin’ny fanamarihana ny faha-30 taona, ny taona 2022, no nisy farany ny toa azy.
Tsiahivina fa nakan-kevitra ireo mpankafy, nasaina nandahatra ireo hiran’i Njakatiana ankafiziny ka tiany hatao amin’io fotoana io. Ireny no naravona ka nanome ny filaharan-kira, izay haharitra adiny telo eo.
Zo ny Aina