Nihaona tamin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika, i Salava Julien, ny tale mpanatanteraky ny Formapro sy ny lehiben’ny tetikasa.
Mikendry ny fanatsarana ny tolotra fiofanana amin’ny sehatry ny fanorenana sy ny asa vaventy (BTP) ny tetikasa. Manohana amin’ny fiantohana ny kalitaon’ny maha olona ihany koa izany.
Mila tohanana ny fahaiza-manaon’ny tanora mba hamokatra sy hamaly ny filana amin’izao fotoana, indrindra ireo fivoarana misy eo amin’ny fotodrafitrasa sy fitaovana moderina.
Nandritra ny fihaonana, nilaza ny maha zava-dehibe ny fampidirana ny tanora indrindra ny zatovovavy ny avy amin’ny Formapro ho fampirisihana azy ireo hanaraka ny fiofanana izay atolotra.
Tanjona ny hanome azy ireo tolotra hahafahany mivoatra sy hanana hoavy mamiratra amin’ny sehatry ny asa momba ny fanorenana sy ny asa vaventy.
Efa tafiditra amin’ny dingana faharoa ny tetikasa iarahana amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Efa naparitaka amin’ny sekoly ambony dimy kosa ny tetikasa andiany voalohany.
Tatiana A