Tetikasa Tady: Sahanasam-pampandrosoana 30 mendrika hosafidiana

Namolavola ny tetikasa Tady ny minisiteran’ny Raha­raham-bahiny ho fanentanana ireo Malagasy mpilaravinahitra any ivelany handray anjara amin’ny fampandrosoana amin’ny tany niaviany. Haharitra efatra taona ny tetikasa, vatsian’ny Agence française de développement (AFD) vola, nanomboka ny taona 2023 hatramin’ny 2027.
Mitety faritra ireo tomponandraikitra eo anivon’ny tetikasa manatanteraka atrikasa fifanakalozana sy ireo tsara ho fantatra amin’ny tanjony. Na­son­gadina ny fanazavana ny fifidianana ireo tetikasa 30 mendrika entina hitondrana fampandrosoana eny ifotony.
Vinan’ny tetikasa ny fampirisihana ireo tanora malagasy (jeune diaspora) amin’ny fana­ovana asa an-tsitrapo sy fampandraisana anjara ireo Ma­lagasy manana fahaizana ma­no­kana ho famaliana ny filana fototra eto an-toerana. Hiara-kisalahy amin’ny fanatanterahana ny tetikasa sady hisitraka tombontsoa ireo fi­kambanana, sehatra tsy mi­an­kina ary ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefanana.
Nandray anjara tamin’ny atrikasa tao amin’ny efitrano mul­ti­fonction Ivotika eo An­tsirabe ny faritra Vakinan­karatra, Amoron’i Mania sy Mena­be, tamin’ity herinandro ity. Nitarika ny delegasiona teto an-toerana ny mpandrindra nasionalin’ny tetikasa Tady eo anivon’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, An­drianiaina Thierry.

Vonjy

Partager sur: