Naiditra vonjimaika am-ponja eny Tsiafahy ilay lehilahy nanolana ka nahafaty ny zana-badiny vao 5 taona monja teny Ambohipo. Voasazy hiasa an-terivozona mandra-pahafatiny, miampy famosirana izy io, taorian’ny didy nivoaka. Marihina fa miaramilan-tsambo ity lehilahy nanolana ity. Miasa alina ny renin’ilay zaza ka matetika izy sy ilay zaza irery foana no ao an-trano. Izany zava-misy izany no nitarika ny sain-dratsin’ity lehilahy ity.
Voasambotry ny polisim-pirenena avy ao amin’
ny CSP6 ny lehilahy iray niaraka tamin’ny “batteries” roa ana fiara, izay nangalariny, afakomaly tamin’ny 02 ora maraina, tetsy amin’ny fokontany Ambatolampy. Lehilahy iray hafa tratran’ny CSP 2 nangalatra fitaovan-dakozia ny alatsinainy hariva teo, tetsy Antsahameva. Efa samy notanana eny anivon’ny polisy avokoa izy ireo.
Nofongarin’ny havany tao amin’ny fasam-bahiny Bénédictine, any Ambositra, ny fatin’ilay lehilahy voamarina fa matin’ny pesta. Nidina nijery ny fasana nandevenana azy io ireo tomponandraikitra, omaly, nefa efa fongatra tao ny razana. Maty tany Bemongo ny zoma 07 febroary lasa teo izy io ary nalevina tany amin’ny fasam-bahiny ny zoma hifoha sabotsy. Nanda ny filazana ireo fianakaviana fa matin’ny pesta io havany io ka antony nakan’izy ireo ny fatin’ny havany. Avy any Ambohibary Sambaina io lehilahy maty io.
Mpivarotra fanafody enin-dahy nosamborin’ny Zandary avy amin’ny toby eny Tsaramandroso, Fianarantsoa, omaly maraina. Voalaza fa mpivarotra fanafody tsy ara-dalàna any an-toerana izy ireo.