Nitrangana vaky fasana narahina halatra taolam-paty tao amin’ny tanàna Fanatsarana, fokontany Ampasimadinika, kaominina Antanambao Manampotsy, afakomaly alina. Jiolahy fito ireo voalaza fa nanatanteraka izany asa ratsy izany, raha ny angom-baovao. Nifanenjehan’ny fokonolona izy ireo ary voasambotra tany Ampasimadinika ny iray tamin’izy ireo. Tsy navelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ainy. Raha toa ka tafaporitsaka ny enina ambiny. Tonga nanatevin-daharana ny fanenjehana sy ny fanarahan-dia ireo tafatsoaka ny avy amin’ny zandarimaria. Mbola samy any anaty ala ny zandary sy fokonolona hatramin’ny nanoratana ny lahatsoratra.
Tsy handefitra na hanao raharaham-pihavanana ny tompom-pasana mahakasika izao raharaha izao. Anisan’ny ahin’ny mponina any an-toerana fa misy olom-boafidy afaka mandray ny taolam-paty ao ambadik’izao asa ratsy izao, raha ny angom-baovao.
Raha tsiahivina, saika itrangana vaky fasana miharo halatra taolam-paty hatrany isan-taona any amin’ny disitrikan’ Antanambao Manampotsy, faritra Atsinanana. Anisan’ny nisehoan’izany, ny 29 aogositra 2024 ka nahafatesana olon-dratsy telo lahy, izay matin’ny fitsaram-bahoaka ihany koa. Iray kosa ny maty tamin’ny taona 2023.
Sajo