FANTINA sy FINTINA

Nankasitrahin’ny avy amin’ny Pnud, amin’ny alalan’ny solontena maharitra, Edward A. Christow, ny ezaka ataon’ny minisiteran’ny Fitsarana amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nivoitra izany tamin’ny fihaonany tamin’ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis, teny Faravohitra, omaly. Niompanan’ny dinika koa ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Miisa 12 ireo kaominina hamerenana ny fifidianana ben’ny Tanàna, araka ny didy navoakan’ny Tribonaly miady amin’ny fanjakana. Andrasana koa ny didy havoakan’ny Filankevi-panjakana raha miseho ny fampiakarana na koa fangatahana fandravana didy, nataon’ny kandidà. Miainga amin’izany no hanoloran’ny Ceni ny daty amin’ny governemanta.

“Tsy mora ny manomana fifidianana, indrindra ny famerenana fifidianana amin’ny ampahany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, Retogniane Durlin, ny amin’ny famerenana fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina izay natao tamin’ny 11 desambra 2024. Ny fahita: matetika rehefa misy fifidianana haverina, tsy tanteraky ny fitondram-panjakana. Niainana izany tamin’ny fe-potoam-piasan’ny ben’ny Tanàna farany teo.

Voalazan’ny lalàna fa tsy maintsy tanterahina ao anatin’ny 120 andro nanomboka tamin’ny nanendrena PDS ny fifidianana ho an’ny ao Antsiranana I. Tsy anisan’ireo mpirotsaka hofidina hifaninana amin’izany kosa ny delegasionina manokana notendrena hitantana ny kaominina.

Partager sur: