Fetin’ny mpifankatia: Manokatra ny taom-pampisehoan’ny mpanao mozika

Fotoana fanararaotra ihany koa ny Saint Valentin, ho an’ny mpanao mozika. Lasa manamarika ny fanombohan’ny taom-pampisehoana izany, sady famoahana hira vaovao.

14 febroary, fetin’ny mpi­fankatia. An­ka­lazain’ny firenena maro maneran-tany ny Saint Va­lentin, na dia tsy “fety masina” araka ny anarany aza. “Fety ara-barotra”, hoy ny famaritana azy, satria mirona kokoa any amin’ izany ny Fetin’ny mpifankatia. Tafiditra anatin’izay varotra izay ny mozika, hany ka lasa daty lehibe eo amin’ny fandaharam-potoan’ny mpanakanto mpanao mozika sy mpikarakara hetsika isan-karazany ny 14 fe­broary.
Rehefa avy nandingana ny fifampiarahabana noho ny taom-baovao isan-karazany, azo lazaina fa fotoana “maina” ho an’ny varotra ny volana febroary. Toraka izany koa ny tsenan’ny mozika maneran-tany. Eo ny vanim-potoana fidirana anaty “studio”, fanaovana fandraisam-peo sy fanomanana ny andiam-pampisehoana ho an’ny taona. Nony nalaza kosa ny Fetin’ny mpifankatia, nisy tolotra vaovao ho an’ireo mpanakanto mpihira: fampisehoana kely na lehibe, famoahana hiram-pitiavana, fanehoana fampiaraham-peo, fandaharana amin’ny haino aman-jery, sns.
Ho an’ny eto Madagasikara manokana, mbola anatin’ny vanim-potoana fahavaratra, ary matetika aza misy rivodoza ny toa izao. Tsy fanaovana fampisehoana ankalamanjana mihitsy, araka izany. Lasa fanombohan’ny taom-pampisehoana anefa, noho izay fitombon’ny tinady amin’ny Fetin’ny mpifankatia izay. Seho anaty efitrano aloha ny maro, ho an’ity faran’ny herinandro ity.
Tsara fitontona, satria nianjera zoma ny Fetin’ny mpifankatia, anio. Ho an’ny eto an-drenivohitra manokana, saika mandray “cabaret” manokana ho an’ny mpifankatia avokoa ireo toeram-pialamboly amin’ny alina. Maro ny safidy, ka any amin’ny fankafizana ny mpanakanto sisa ny mamaritra ny fahombiazan’ny seho. Misy kosa ireo nisafidy ny hiandry ny rahampitso sabotsy sy ny alahady, mba hanomezana bahana kokoa ireo mpanjifa fety.
Miara-dalana amin’izany, maromaro ireo mpanakanto namoaka hira vaovao, tamin’ity herinandro ity. Izay hiram-pitia­vana dia mifanandrify amin’ny vanim-potoana. Ireo miresaka lohahevitra hafa kosa, efa manomana ny taom-pampisehoana rahateo. Any amin’ny manodidina ny fetin’ny Paka, ny volana avrily, vao tena misokatra ny fampisehoana an-kalamanjana sy ny fitetezam-paritra.

Zo ny Aina

Partager sur: